Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny soradihy: andiany fahatelo ny « Festival 321 »

Tontolon’ny soradihy: andiany fahatelo ny « Festival 321 »

Anisan’ny hetsika lehibe ho fanandratana ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara ny « Festival 321 » karakarain’ny kaompania Rary sy ny kaompania Lovatiana. Hanomboka ny alatsinainy 3 septambra izao ny andiany fahatelo. « Samihafa avokoa ny traikefa ho hita amin’ity andiany ity satria ao ny efa ela nandraisana anjara. Misy ny vao haingana. Ny avy any amin’ny faritra. Hisy vahiny avy any ivelany ihany koa », hoy i Lovatiana, omaly. Tao anatin’ny enim-bolana teo ho eo, nisy ny fanaraha-maso ny trandraka sy ny fikarohana nataon’ireto kaompania ireto. « Raha nahitana vahiny io fanaraha-maso io teo amin’ny andiany roa teo aloha, tsy nisy kosa izany tamin’ity, izahay mpikarakara niampy mpamorona efa manana traikefa no nanatanteraka izany, tamin’ity andiany faha-3 ity. Tsy manakana ny atrikasa tsy hiroso ny tsy fisian’ny vahiny eo amin’ny fanaraha-maso », hoy hatrany i Lovatiana.

Hanomboka etsy Antaninarenina (Ortana) ny seho fanokafana, ny alatsinainy izao. Ny Kaompania Lovatiana, ny Rary, ny tarika Bakomanga, Rakoto Frah Junior ary ny Dihy Miaramientana no handray anjara amin’izany. Ny tolakandro, ao amin’ny studio Kala, dihin’olon-tokana tanterahin’i Somoh Nacelle Larrisa. Ao koa i Julie Iarisoa ary fandefasana tahirintsary fanadihadiana momba ny dihy.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique