Flash
Préc Suiv

Mahajanga: voasambotra i Rocky, nitifitra nahafaty olona roa

Mahajanga: voasambotra i Rocky, nitifitra nahafaty olona roa

Tratran’ny polisy i Radadafara na i Rocky, tovolahy monina any Manjarisoa Mahajanga vao 23 taona, anisan’ny jiolahy mpanafika any an-toerana. “Gadra lava izy ary efa mpamerin-keloka”, hoy ny fanazavana. Anisan’ireo jiolahy nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana Epicerie Miracle tao Ambalavola izy ka nahavoatifitra olona roa. Vola 7 hetsy Ar, namonoana olona roa tamin’izany. Mbola karohina ary miriaria any ny namany telo lahy miaraka amin’ilay fitaovam-piadiana namonona sy nandrahonana ireo mpivarotra. “Miantso fiara-miasa amin’ny vahoaka ny polisy ho an’izay manam-baovao mba hampita izany, hanamora ny famongorana ireo mpanao ratsy sy ny fisamborana azy ireo.  Ny laharan’ny Emmo Mahajanga: 034.92.667.53 / 032.98.888.57, afaka antsoina foana”, hoy ny fanazavana.

Amin’ny ankapobeny, milamindamina ny any an-toerana amin’izao fotoam-pialantsasatra izao. Mandehandeha manao fisafoana ny polisy na andro na alina, manao fanaraha-maso ny vahiny any an-toerana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.