Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa – «ligue des champions»: iray vondrona ny PSG sy ny Liverpool

Hanomboka amin’ny 18 septambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”. Fantatra avokoa, ny fitsinjarana ireo ekipa handray anjara amin’izany. Iray sokajy amin’ny Liverpool, ny PSG. Handray ny lalao mandroso, ny ekipa Anglisy. Anisan’ny sokajy maozatra ihany koa ny fiarahan’ny Barcelone sy ny Inter de Milan ary ny Tottenham. Toy izany koa ny misy ny ekipa frantsay Monaco, miaraka amin’ny Atletico Madrid sy ny Dortmund. Maiva-maivana ihany kosa ny vondrona misy ny Real Madrid, tompondakan’i Eoropa.

 

Tompondaka

 

 

Ny fizaram-bondrona ireo ekipa

Sokajy “A” : Dortmund, Monaco, FC Bruges, Atletico Madrid

Sokajy “B” : Inter de Milan, Tottenham, PSV Eindhoven, FC Barcelone

Sokajy “C” : Liverpool, PSG, Naples, Etoile Rouge Belgrade

Sokajy “D” : FC Schalke 04, FC Porto, Galatasaray, Lokomotiv Moscou

Sokajy “E” : Bayern de Munich, Benfica de Lisbonne, Ajax, AEK

Sokajy «F» : Olympique Lyonnais, Manchester City, Shakhtar Donetsk, TSG 1899 Hoffenheim

Sokajy “G” : Real Madrid, AS Roma, CSKA Moscou, Viktoria Pizen

Sokajy “H” : Manchester United, FC Valence, Juventus de Turin, BSC Young Boys

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique