Flash
Préc Suiv

Jacques Rabemananjara: marobe ny mpikaroka vahiny liana amin’ny zava-bitany

Jacques Rabemananjara: marobe ny mpikaroka vahiny liana amin’ny zava-bitany

Mpanoratra, mpanao politika sy mpitolona ho an’ny fanafahana… Fantatra tamin’ny sehatra maro i Jacques Rabemananjara. Ny tena mahavariana, ankehitriny, marobe ny mpikaroka, any ivelany any, liana amin’ny zava-bitany.

Nanasongadina izany Ranaivoson Dominique, mpampianatra mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Lorraine-Frantsa, mpanoratra liana manokana amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ireo mpanoratra frankofona. Izy ny namoaka voalohany ny boky mitantara ny lalana nodiavin’i Jacques Rabemananjara.

Notsongain-dRanaivoson Dominique manokana, ohatra, ny fisiana manampahaizana ongrois, manao fikarohana manokana momba ity mpanoratra malagasy ity. Fantatra koa, ankehitriny  fa misy namana akaikin’i Jacques Rabemananjara, teratany alemà izy io, nandika ny poeziany amin’ny fiteny alemà. Ankoatra ny tandrefana, tsy vitsy koa ny mpikaroka afrikanina (Ivoarianina, Gabone, sns) nanadihady ny momba an’i Jacques Rabemananjara.

Tsy latsa-danja amin’ireo koa ny mpikaroka sy manampahaizana malagasy. Nomarihin-dRanaivoson Dominique fa sehatra samihafa, samy nahalalana ity mpanao politika malagasy ity, ny niompanan’ny fikarohan’ireo olona rehetra ireo.

Ankehitriny, mahatsapa Ranaivoson Dominique fa tokony hampahafantarina ny eto an-tanindrazana ireo karazam-pikarohana ireo ary tsara ampahatsiahivina na ampahalalana ny tanora ny mombamomba an’i Jacques Rabemananjara. Izay indrindra ny antony “Herinandro ara-kolontsaina ho an’i Jacques Rabemananjara”, tanterahina any Toamasina, ny 4 hatramin’ny 8 septambra izao.

Hisy ny fikaonan-doha hataon’ireo mpikaroka, ny 6 sy 7 septambra hoavy izao, ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Heverina ny hisian’ny tetikasa goavana, hivoaka aorian’io dinika io. Ankoatra io, hisy ny famelabelarana sy fampirantiana, ao amin’ny Alliance française.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.