Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana ny kandidà Rajoelina ny Hiaraka isika

Manao tohivakana  hatrany. Nanao fanambarana teny Andrainarivo, omaly ny eo anivon’ny fikambanana  politika            , Hiaraka isika, tarihin’ny filoha  nasionaly, ny Jly Camille Vital.  Nambarany fa tahaka ireo antoko miara-dia eo anivon’ny Armada ny Hiaraka  isika ka nisafidy hanohana kandidà manana vina niomanana sy mifanaraka amin’ny  filan’ny firenena. Vina azo tanterahina. “Noho izany, manohana an-kalalahana sy 100%  ny kandidà Rajoelina,  laharana  faha-13, atolotry ny TGV ary mpikambana ao amin’ny  Armada, miaraka amin’ny vina  IEM  izahay”, hoy izy.  Nentaniny ireo mpanohana  sy mpikambana ary ny birao isan-tokony hifanome tanana hanohana io kandidà  io.

Notsiahiviny fa mandray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny antoko. Mijoro ary mitazona  ny fotokevitra :  “Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy mipetraka ny fandriampahalemana”. Eo amin’ny politika indray, handray anjara amin’ny fifidianana rehetra  ary manome hasina sy lanja ny fanapahan-kevitra iraisana ao amin’ny Armada amin’ny fanohana na kandida tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Hampisehoana ny fahaiza-mifandefitra sy firaisankina ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena”, hoy ihany izy.

Synèse  R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique