Flash
Préc Suiv

Banky MCB: masoivoho vaovao any Toliara

Banky MCB: masoivoho vaovao any Toliara

Notokanana, ny talata 28 aogositra teo, ny masoivoho vaovaon’ny banky MCB any Toliara. Anisan’ny nasaina manokana nanatrika ny fotoana ny mpanjifa maherin’ny 40 notsongaina tamin’ny rehetra. Tanjon’ny banky MCB ny hanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa ahafahany misitraka ny tolotra samihafa. Nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity ny Préfet sy ny ben’ny Tanàna ao Toliara, samy nidera sy nankasitraka izao ezaky ny MCB izao satria hitondra fampandrosoana ara-toekarena ny any an-toerana.

Miisa dimy ny mpiasa ao amin’nyMCB Toliara, ahitana ny lehiben’ny masoivoho, ny miandraikitra ny varotra, ny mpitam-bola, ny lehiben’ny fitantanam-bola, ny miandraikitra ny raharaha ankapobeny. Hita ao amin’ny lalana Rue de marché, manoloana ny tranombarotra Score ity banky ity, manana velarana 308 m2.

Miisa 10 ny masoivohony eto Madagasikara, ka eto Antananarivo ny dimy. Hisokatra tsy ho ela ny eny Ambatobe. Miisa efatra kosa ny any amin’ny renivohi-paritany teo aloha (Toamasina, Mahajanga, Antsirabe, Toliara, ary tsy ho ela ny any Nosy Be)

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.