Flash
Préc Suiv

Anosibe: nijoalajoala indray ny afo, trano ampolony kilan’ny afo

Anosibe: nijoalajoala indray ny afo, trano ampolony kilan’ny afo

Raikitra indray ny fifanjevoana, omaly hariva teny Anosibe nandritra ny haintrano nitranga teny an-toerana. Trano hazo miisa 20 sy trano biriky lehibe eo amin’ny dimy eo ireto levon’ny afo ireto. Samy nanana ny fanazavany ny mponina teny an-toerana, tao ireo nilaza fa akoson’aratra no nitarika ny firehetana. Ny hafa kosa nilaza fa tandrevaka nataona ankizikely iray nandrehitra afo tao amin’ny trano iray no nitarika ny afo ka nampiitatra haingana ny firehetana tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Lasa lavenona tao anatin’ny ora vitsy monja ny entana rehetra tao amin’ireo trano nirehitra. Nijoalajoala ny afo ary sarotra ny fifehezana satria niitatra hatrany ny afo.  Nanampy trotraka izany koa ny fitsokan’ny rivotra. Samy nanao izay ho afany tamin’ny famonjena ny entana ihany ireo niharam-boina, saingy tsy afa-nanoatra manoloana ny afo. Nisy ireo avotra, tao kosa ireo  kilan’ny afo tsy nisy noraisina intsony. Niezaka nifanome tanana namono ny afo ihany ny mponina teo amin’ny manodidina kanefa tsy nahatohitra ny herin’ny afo. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo. Fianakaviana maro no indray traboina tamin’ity loza ity.

Vao tamin’ity herinandro ity no nanao tatitra momba ny trangana haintrano, nandritra izay valo volana izay ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina. Tandrevaka hatrany no mahatonga ny loza, raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina.

 J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique