Flash
Préc Suiv

Vondrona laika: hanohana an-dRajoelina

Maka bahana. Hijoro tsy ho ela ny Vondrona laika mikatroka hanohana ny kandidà Rajoelina miaraka amin’ny IEM. Nivory tetsy Tanamakoa, Toamasina, izy ireo, tamin’ity herinandro ity nandinika sy namakafaka ny fiainam-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Nampitovy fomba fijery ny amin’ny tokony hanomezan-tanana amin’ny fifidianana ny mpikambana miisa 50 niatrika izany. Nisy ny fifandresen-dahatra ka nitoviana hevitra ny hanohanana ny kandidà laharana faha-13, Rajoelina Andry. Tapaka fa samy hitarika ny olona heverina fa afaka hanohana ny mpanorina ny IEM ny rehetra.

Tsy hiandry ela fa hatao rahampitso avy hatrany ny fametrahana ny birao hitarika ny Vondrona laika mpikatroka ao Toamasina.

Midika izany fa manao ranolava ny  fanambarana  fanohanana  ny kandidà laharana  faha-13 amin’izao fifidianana  izao. Tsy mifidy io  na fikambanana na  antoko politika na tanora na  vehivavy  koa.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.