Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: resin’i Frantsa i Madagasikara

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: resin’i Frantsa i Madagasikara

Tontosa, omaly, ny dingana fahafito sady farany eo amin’ny fiadiana ny «Masters 2018», taranja tsipy kanetibe, tao amin’ny Palais Ducal, ao Nevers. Resin’i Frantsa, teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 13 no ho 4, ny Malagasy. Voasakana ny  lalantsika amin’ny “final four”, ho an’ity taona ity. Miandry ny taona 2019 indray izany.

Mandra-piandry izany, noraisin’ny filohan’ny Tetezamita,  Rajoelina, teny Ivandry, ny alarobia lasa teo, ny ekipam-pirenena, tsipy kanetibe, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy lehilahy, hatao any Desbiens Kanadà, ny 13 – 16 septambra ho avy izao.

Efatra ireo mpilalao: i Nanah sy i Rado ary i Hery, miampy an’i Taratra, tarihin’i Tin, mpanazatra. Nanolotra vatsin-dalana ho azy ireo ny mpanorina ny IEM, ary nampanantena fanomezana lehibe ho azy ireo raha toa ka mandrombaka ny ho tompondaka. Notsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny vinany IEM ny fanaovana ho matihanina ny fanatanjahantena ary ny fanatsarana ny fiainan’ny atleta.

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique