Flash
Préc Suiv

Tatitry ny Eiti 2015-2016: nitombo ny orinasa nanao fanambarana

Namoaka ny tatitra ho an’ny fotoam-piasana 2015 sy ny taona 2016 ny Rafitra iraisam-pirenena hametrahana ny mangarahara ho an’ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany (Eiti). Voakasik’izany ireo orinasa vaventy mitrandraka harena an-kibon’ny tany sy solika eto Madagasikara amin’ny hetra naloany amin’ny fanjakana. Niisa 48 ny orinasa tsy miankina voaray lisitra fa tokony handoa hetra na haba, ary niisa 13 ny orinasa misehatra amin’ny solika. Marihina fa manambara izany amin’ny finiavany ny orinasa, nefa tsy maintsy ataony kosa anefa.

Tsikaritra fa nitombo ny isan’ny orinasa nanao fanambarana raha ampitahaina ireo taom-piasana roa ireo, ny taona 2015 sy ny 2016. Niisa 30 ny nanao fanambarana ny taona 2015 ary niakatra ho 32 ny taona 2016. Etsy ankilany, nihena ho 29 ny orinasa tsy nanao fanambarana ny taona 2016 raha 31ny taona 2015.

Raha ny lafiny vola, nitentina 18,592 miliara Ar ny vola hitan’ny fanjakana fa tokony haloa, saingy tsy narotsaky ny orinasa tsy miankina, ny taona 2015, raha nidina ho 8,115 miliara Ar izany ny taona 2016.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.