Flash
Préc Suiv

Scorpion du sud Antseva: miray ny mozika sy ny fanatanjahatena

Scorpion du sud Antseva: miray ny mozika sy ny fanatanjahatena

« Scorpion du sud Antseva », anarana nasalotr’i Jean Louis ny tarika najorony ny taona 2017. Nomarihiny fa ny hamafy fanabeazana ombam-pahafinaretana amin’ny alalan’ny hira, ny mozika ary ny dihy no antom-pisian’ny tarika. Mirona amin’ny fiangaliana ny gadona tropikaly na ireo bankira mampiavaka ny tany mafana tahaka ny sud af, ny salegy, sns, izy fito mianadahy mandrafitra ny tarika. Mahafolaka gadona milamina ihany koa anefa. Mampiavaka ity tarika ity ny fampiasana tenim-paritra maromaro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ao anatin’ny hira iray.

Ankoatra ny maha mpanakanto an’i Jean Louis, mitaiza vatana sy saina ary fanahy amin’ny alalan’ny haiady tahaka ny « kung fu » sy ny « kick boxing » ny lehilahy ary manan-talenta amin’ny fampisehoana hakingana (cirque ) toy ny mandeha ambony tady, mamoritra vy amin’ny tratra… « Ao anatin’ny vatana tomady no ahafahana manajary zavakanto ary mifameno ny mozika sy ny fanatanjahatena », hoy i Jean Louis.

Raha ny fanazavany, Antseva ny nampiarahina tamin’ny anaran’ny tarika, noho ity tanàna any atsimon’Ambatolampy ity nahalatsahan’ny tavoniny sady mirakitra soatoavina malagasy. Ampahany amin’ireo sanganasan’ny Scorpion du sud Antseva ny « Aza atao anio moa zah ».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.