Flash
Préc Suiv

Olona dimy voasambotry ny polisy: 160 tapitrisa Ar ny hivarotany ny vehivavy malagasy iray

Olona dimy voasambotry ny polisy: 160 tapitrisa Ar ny hivarotany ny vehivavy malagasy iray

Ravan’ny polisy mpanao fanadihadiana manokana, ny alatsinainy teo, ny tambajotra mpanao trafika, mpanondrana vehivavy malagasy hoe hiasa any ivelany, any Sina. Afera maizina anefa ny ao ambadika : fivarotana olona. 70 hatramin’ny 160 tapitrisa Ar ny hivarotany ny vehivavy iray.

Saron’ny polisy misahana ny ”enquête spécialisée” Anosy, ny alatsinainy 27 aogositra 2018 lasa teo, ny tambajotra mpandefa an-tsokosoko vehivavy any Sina. Olona dimy (vehivavy telo sy lehilahy roa) indray voasambotra teny Ampasampito, tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavan’ny polisy ao amin’ity sampandraharaha manokana ity, efa an-taony maro ity tambajotra ity nandefa vehivavy any Sina ary efa maro ireo vehivavy naondran’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa hoe mampanantena ireo vehivavy haondrana ireo tambajotra fa misy asa efa vonona any Sina sady be karama, hany ka voasarika ireo tovovavy noresahin’izy ireo. Matipaika mihitsy ny laminasan’ity tambajotra ity satria vehivavy iray ny mikarakara ny taratasy hivoahana any ivelany raha lehilahy roa hafa kosa ny manao taratasy hosoka any amin’ny kaominina entina hampitomboana ny taon’ireo ankizivavy mbola tsy ampy taona sy manao ny visa ho any Sina. Diso fanantenana anefa ireo tovovavy malagasy rehefa tonga any satria tsy nisy araka ny nifanarahana akory ilay asa nampanantenaina fa namidy sy noterena hanambady lehilahy sinoa izy ireo ka vola mitentina 70 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 160 tapitrisa Ar isaky ny olona iray ny azon’ireto tambajotra mpivarotra ireto, raha ny fanazavana avy amin’ny polisy hatrany.

Miaritra vono sy fampijaliana ireo tovovavy…

Nikasa handositra ireo vehivavy malagasy ireo, saingy nogiazan’ireo olona nividy azy ny pasipaorin’izy ireo ka tsy afa-nanoatra intsony. Nisy tamin’ireo ankizy anefa no afaka nifanerasera tamin’ny fianakaviany aty Madagasikara tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ka afaka nitantara ny zava-niseho sy iainan’izy ireo any Sina. Araka ny fitantaran’ireto vehivavy ireto, vono sy fampijaliana ny iainan’izy ireo any, araka ny tatitra avy amin’ny polisy. Vokatr’izany, nametraka fitoriana eo anivon’ny polisy misahana ny “enquête spécialisée” ny ray aman-drenina tovovavy miisa telo. Niantomboka teo any fanadihadian’ny polisy ka vehivavy telo sy lehilahy roa nandray anjara tamin’io fanondranana io no voasambotra teny Ampasampito, ny alatsinainy lasa teo tamin’ny 8 ora maraina. Tamin’ny fotoana nahasamborana ireto tambajotra ireto, mbola nahatrarana vehivavy iray mbola saika haondrana any Sina tao an-tranon’izy ireo. Misy amin’ireo tovovavy ireo, efa tamin’ny 27 aogositra 2017 no efa lasa any Sina raha vao ny volana jolay 2018 teo kosa ny sasany. Nambaran’ny polisy fa tambajotra goavana ireto tratra ireto satria miara-miasa sy mifampiankina avokoa ny anjara asan’ny tsirairay ao amin’ity tambajotra ity hatrany amin’ny fanangonana ireo tovovavy, ny fanamboarana taratasy hosoka sy pasipaoro ary visa. Eo koa ny fandraisana ny fampiantranoana azy ireo rehefa tonga any, hatrany amin’ny fivarotana azy ireo. Nilaza ny polisy fa teratany malagasy ihany ny mpandray sy mivarotra ireto vehivavy ireo any Sina ary mbola any ireo vehivavy malagasy ireo. Midika izao fa tsy misy fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fanjakana sy/na misy kolikoly avolenta amin’ny fisian’itony tambajotra goavana mpanondrana olona itony. Tsy mety fay tamin’ireny tovovavy sasany niharan’ny herisetra (tao ireo namoy ny ainy) niasa tany Koweït sy tany Liban ireny koa fa mbola misisika ihany ny tovovavy malagasy amin’ny fisian’ny tolotrasa any ivelany ireny kanefa zava-kafa ny miandry azy ireo rehefa tonga any.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.