Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – «Cosafa cup 2018»: iray vondrona amin’i Afrika Atsimo ny Barea

Kitra vehivavy – «Cosafa cup 2018»: iray vondrona amin’i Afrika Atsimo ny Barea

Hotanterahina ny 12 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny «cosafa cup», taranja baolina kitra vehivavy. Fifaninanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Mandray anjara amin’izany, ny Barea de Madagascar.

Ao amin’ny sokajy «A», ny Barea de Madagascar vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny «cosafa cup 2018», taranja baolina kitra. Fihaonana, hotanterahina atsy Afrika Atsimo, manomboka ny 12 ka hatramin’ny 22 septambra, ho avy izao. Tafaraka amin’ny ekipam-pirenena malagasy ry zareo mpampiantrano, miaraka amin’i Malawi sy i Botsoana.

Raha ny fandaharam-potoana, avy hatrany dia hidona amin-dry zareo Afrikanina tatsimo, ao amin’ny kianja Wolfson, ny Barea de Madagascar eo amin’ny lalao voalohany, ny alarobia 12 septambra. Tsy maintsy hiady mafy ny Barea, amin’io satria ry zareo Bafana Bafana no tompondaka farany, izay azo lazaina fa mbola «favori», amin’ity andiany ity.

Ankoatra izay, hanala vela amin’i Malawi, ihany koa ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihaonana faharoa, hatao ny alakamisy 14 septambra. Efa niaraka vondrona mantsy ny roa tonta, tamin’ny taon-dasa. Niondrika tamin’ny isa 6 no ho 3 nanoloana an-dry zareo Malaoita, tamin’izay ny tovovavin’ny Barea.

Botsoana indray, efa tafaraka tamin’i Afrika Atsimo, nisaraka 1 sy 1. Tsy ho mora araka izany, ny miandry ny Barea de Madagascar, amin’ity satria firenena manana ny fahaiza-manaony avokoa no miandray azy ireo.

Firenena 12 no hiady ny lohany amin’ity, nozaraina ao anaty vondrona telo. Hiatrika ny manasa-dalana ireo firenena voalohany isam-bondrona, miampy ekipa iray tsara toerana indrindra.

Tsiahivina fa tsy nivoaka vondrona, ny Barea, tamin’ny taona 2017.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique