Flash
Préc Suiv

Iray tsy mivaky ny mpomba an-dRajoelina

Iray tsy mivaky ny mpomba an-dRajoelina

Nigadona tao Ambatondrazaka, ny fiandohan’ny herinandro, teo ny delegasiona mafonja manohana ny kandidà Rajoelina. Nitarika izany Ratsirahonana Norbert Lala. Teo koa ny avy amin’ ny Armada, i Robinson Jean Louis, Andrianainarivelo Hajo, Razafimahefa.  Mazava ny hafatra sy ny teny iraisana amin’ny any an-toerana :  ”isika rehetra miaraka amin’ny prezidà Rajoelina Andry”. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Ambohitsilaozana sady Mapar, Raberarimanana Pascal, fa miisa 30 be izao ireo antoko politika sy fikambanana mirotsaka hanohana ny kandidà Rajoelina any amin’iny toerana iny. Efa tafatsangana rahateo ny komity sy  ny vaomiera hiasa eo anivon’ny distrikan’Ambatondrazaka. Efa eo am-panaganana izany koa ny any amin’ny kaominina sy ny fokontany rehetra any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Na izany aza, mifandimby tonga any an-drenivohitr’Alaotra Mangoro koa ny iraka avy amin’ireo kandidà hafa milatsaka hofidina.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.