Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: fanavahana ny vary sy ny akotry

Tsy azo iadian-kevitra ny fananan’ny vahoaka malagasy ny kolontsainany manokana. Tsy vitan’izay fotsiny fa maro karazana ny kolontsaina isam-paritra izay tonga manatevina ny kolontsaina iraisan’ny vahoaka manerana ny Nosy. Toy ny tantaram-pirenena ny kolontsainam-pirenena, samy manana fototra ijoroana, sady antoky ny ho avy no lova iankinan’ny taranaka.

Eo andaniny ary somary mifamatotra amin’ny kolontsaina ihany ny atao hoe soatoavina. Manana ny soatoavina mampiavaka azy amin’ny vahoaka sasany eran-tany ny Malagasy. Toy izany ny fihavanana izay miseho amin’ny fomba hafa angamba any amin’ny firenena hafa any am-pita any. Na izany aza tsy hiditra amin’ny fiadian-kevitra fampitahana ny atsy sy ary. Ny dinika eto dia faritana hikasika ny soatoavina ikambanana eran-tany sy ny fihemoran’ny fanajana azy ireo. Sehatra iray no ametrahana ny resaka eto, ny fifandraisan’ny zoky olona sy ny tanora. Misy moa ireo milaza fa mampiavaka ny Malagasy ilay soatoavina amin’ny fanajana ny raiamandreny sy ny toe-tsaina momba ny fitsinjovana ny tanora toe-tsaina voafehin’ny fanambarana miverimberina fa « izy ireo ny solofo dimbin’ny ala ».

Mampitandrina ireo mpananatra fa tsy ampy arak’izay anefa ny fitaizana ny ankizy sy tanora momba ny fanajana ny raiamandreny sy zoky. Tsy eto an-toerana irery anefa no miseho izany, any ivelany any koa misy koa ny fametrahana ny fanajana raiamandreny sy zoky ho soatoavina ary mitranga koa ny fihemoran’izay fomba izay. Noho izany, soatoavina iombonana io fanajana io ary tranga tsy miavaka irery no miseho eto an-toerana. Toe-tsaina no mahatonga izany fiovana izany. Asa na fandrosoana na fihemorana, fa rivotra mitsoka eran-tany, mitarika amin’ny fiadiana ho an’ny tena irery mahatonga fanadinodinoana ny fanomezana hasiny ho an’ny soatoavina ankoatran’ny fitiavan-tena.

Eo amin’ny fitsinjovana ny hoavin’ny tanora, rehefa samy ho tia tena ihany, iza no tsy hanao izay ezaka mety ho vitany eo amin’ny fanomanana ny zanany hiatrika ny adim-piainana ? Samy resy lahatra daholo fa ny fianarana no fitaovana voalohany tsy maintsy omena ny zaza, ankizy sy tanora ho entiny miady. Tany mena anefa tsy mirehitra. Raha sahy mijery ny tena marina dia manaiky fa kely fanantenana ho tafavoaka ireo ankizy mandranto fianarana any amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany ary vao mainka miha loza arakaraky ny fahalavitan’ny ambanivohitra avy eto andrenivohitra. Iza no tsy mahavita azy sady ambonin’izany mbola miangatra manampy trotraka ny zanaky ny sahirana sy ny mahantra ? Anisan’ny zavatra mendrika hodinihina izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique