Flash
Préc Suiv

Haratsian-dalana RN 5: mampihemotra ny mpiala sasatra

Haratsian-dalana RN 5: mampihemotra ny mpiala sasatra

Ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka isika, fotoana mampiroborobo ny fizahantany ho an’ny Malagasy sy ny vahiny avy any ivelany. Toerana anisan’ny tena be mpitsidika, indrindra ho an’ny teratany Malagasy, ny mankany Mahavelona Foulpointe. Ahina ho vao mainka ratsy miohatra ny tamin’ny taon-dasa anefa ny vokatra noho ny fahapotehan’ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), indrindra ny miainga eto Toamasina hatrany Foulpointe. Efa tsy azon’ny fiara madinika andehanana intsony, saika ampiasain’ny ankamaroan’ny fianakaviana Malagasy, ity lalana ity. Manampy trotraka ny rotsak’orana amin’izao volana aogositra izao, mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina.

Fitaovana politika

Miantraika any amin’ny fiainam-pirenena sy ny isam-paritra ny fahapotehan’ity RN 5 ity. Hihena ny vola miditra any amin’ny kaominina, ny mpivarotra, ny tompon’ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana, sns. Toraka izany koa ny tamberim-bidy sy ny hetra tokony horaisin’ny rafi-panjakana sy ny sampandraharaha samihafa, toy ny ofisim-paritry ny fizahantany, ohatra.

Maro ny manao fitaovana politika ny lafiny fotodrafitrasa toy ny lalana, indrindra ireo mpirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho avy. Voakasik’izany ny fitondrana ankehitriny nefa tsy hita izay nataony fony izy nitantana ny firenena nandritra izay fe-potoam-piasany dimy taona izay.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.