Flash
Préc Suiv

Fifaninanana saripika: ho an’ny rehetra ny « Emerging talent Awards »

Fifaninanana saripika: ho an’ny rehetra ny « Emerging talent Awards »

Miroborobo, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia, ny tontolon’ny fakana sary. Tsy mifidy taona izany. Tokony hanana ny mampiavaka azy anefa ny tsirairay, indrindra ireo manan-talenta amin’ny famoahana ny maha kanto ny saripika. Marobe ny varavarana misokatra, ahafahana manatratra izany tanjona izany.

Iray amin’ireny, ohatra, ny « Emerging talent Awards », karakarain’ny LensCulture, na ny fifaninanana iraisam-pirenena, ijerena ireo manan-talenta indrindra amin’ity sehatra ity. Efa tonga amin’ny andiany fahadimy ny fifaninanana, amin’ity taona ity, ka mbola misokatra, hatramin’ny 5 septambra izao, ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ny sanganasa ho an’ireo liana amin’izany.

Avy amin’ny firenen-tsamihafa ny mpitsara amin’ity « Emerging talent Awards » ity. Miisa 50 be izao ny talenta mendrika indrindra hosivanin’izy ireo amin’ireo mpifaninana, manerana izao tontolo izao, ka inoana fa hisy Malagasy ao anatin’izany.

Tsy voafetran’ny lohahevitra iray ny sary alefa hifaninana. Toy izany koa ny taon’ny mpifaninana. Hatramin’ny nisian’ny fifaninanana, anjatony ny mpakasary nahazo sehatra tamin’ny hetsika iraisam-pirenena samihafa mahakasika ny tontolon’ny fakana saripika.

Mikasika izay fankasitrahana izay indrindra, samy handray anjara amin’ny fampirantiana, any amin’ny « galerie » fanta-daza any New-York, ireo 50 voafidy. Ankoatra izany, haranty any amin’ny « festivals » iraisam-pirenena momba ny sary ny sanganasan’izy ireo. Eo koa ny fampahafantarana azy ireo ao anatin’ny bokin’ny LensCulture, « The best of LensCulture » andiany fahatelo. Marihina fa fitaovan-tserasera iray, mivoy manontolo ny tontolon’ny sary, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny LensCulture.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.