Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko: mihetsika ny Malagasy miara-miainga

Fiainana antoko: mihetsika ny Malagasy miara-miainga

Midina ifotony ny eo anivon’ny birao politikan’ny  antoko Malagasy miara-miainga. Manetsika ny mpikambana any anivon’ny kaominina sy ny distrika izy ireo amin’izao fotoana  izao ary manavao sy manangana ny biraon’ny antoko amin’ireny faritra ireny. Anisan’izany  ny nametrahana ny birao mpitantana ny Malagasy miara-miainga any Mangoro, ahitana ny distrikan’i Moramanga sy ny any Anosibe an’Ala, ny herinandro lasa teo. Nitarika izany ny birao politika na ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, mihitsy. Ankoatra izany,  voaresaka ny fiainam-pirenena sy ny hiatrehana ny fifidianana ary koa ny toromarika fa hanohana ny kandidà laharana faha-13, mpanorina ny IEM, ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mitovy ny vina sady miray feo amin’ny faharesen-dahatra amin’izany koa ny eo anivon’ny Armada, iraisan’ireo antoko sy fikambanana politika maromaro.

Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique