Flash
Préc Suiv

Fampahafantarana ny IEM: nafana ny fandraisan’Ambatolampy ny kandidà Rajoelina

Fampahafantarana ny IEM: nafana ny fandraisan’Ambatolampy ny kandidà Rajoelina

Tsy latsa-danja no ho tany amin’ny faritra hafa. Anisan’ny niavaka sy nisongadina ny nandraisan’ny vahoakan’Ambatolampy Vakinankaratra ny kandidà Rajoelina, omaly tany an-toerana. Notanterahina tao amin’ny kianja filalaovam-baolina izany ary feno hipoka tanteraka,  miaraka amin’ny loko vonimboasary izany toerana izany. Nafana ny fihaonana sy ny  fifanatrehana sady nampientanentana ireo vahoaka ny fahitana sy ny fanakaikezana tamin’ity kandidà laharana faha-13 ity. Andro tsena rahateo ny tany an-toerana. Novelabelarin’ny filohan’ny Tetezamita amin’ny vahoaka ny momba ny vina hampandrosoana iny faritra sy i Madagasikara manontolo manoloana ireo olana samihafa notanisain’ireo solontenan’ny sehatra samihafa any Ambatolampy.

Nihaona amin’ny vahoakan’Ambohibary Sambaina

Nambarany fa efa ao anatin’ny IEM ny vahaolana hampandrosoana ao anatin’ny fotoana  fohy ny firenena. Nanteriny koa fa mila tanora vonona sy sahy ary tia tanindrazana ny firenena.

Nialoha izany, nandalo tao Ambohibary Sambaina ny mpanorina ny IEM ny maraina, nialoha ny nandehanany tany amin’io tanànan’ny fanamboarana vilany io. Niresaka mivantana amin’ireo vahoaka ny tenany. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny mponina, indrindra fa ireo tantsaha, ny mpanorina ny TGV. Teo koa ny fitsidihany ny CSBII ao amin’ity kaominina iray ity. Nalai-nisaraka ny rehetra tamin’izao fihaonana izao.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.