Flash
Préc Suiv

Antanamasaja Mahajanga: magazay Telma shop vaovao

Antanamasaja Mahajanga: magazay Telma shop vaovao

Tsy mitsahatra manitatra ny ambaindainy hanatonana ny mpanjifa ny Telma. Misokatra ao amin’ny fokontany Antanamasaja any Mahajanga ny magazay Telma Shop. Masoivoho faha-63 amin’ireo efa misy manerana ny Nosy ity, tranombarotra fahefatra ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga.

Ahitana ny tolotry ny Telma, toy ny hita any amin’ny hafa rehetra manerana ny Nosy, amin’ny lafiny finday sy ny aterineto. Anisan’ny tolotry ny Telma ny hiaka farany toa ny F1+G4, ny Legend, ny Vibe, famoaham-peo Bluetooth mahatanty rano.

Hahazo fahafaham-po avokoa ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha. Manome torohevitra sy mamaha ny olana ny mpiasan’ny Telma Shop mifanaraka amin’ny filany avy. Tolotra manokana amin’izao fisokafan’ny masoivoho izao ny fanomezana famandrihana maimaimpoana mandritra iray volana, amin’io volana septambra io. Hita ao koa ny fifanakalozam-bola MVola, fanokafana kaonty arahana torohevitra.

Tsiahivina fa matanjaka sy haingam-piasa ny tambajotra fibre otpique ampiasain’ny Telma.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique