Flash
Préc Suiv

Mahareraka Tsaratanàna: naka takalonaina sady nangalatra omby ireo dahalo

Mahareraka Tsaratanàna: naka takalonaina sady nangalatra omby ireo dahalo

Nitrangana fakana an-keriny sy halatra omby indray tao Androfia, fokontany Mahareraka, kaominina ambanivohitr’i Bekapaika, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Dahalo ampolony maro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray niditra an-keriny tao an-tanàna nangalatra omby ampolony maro. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’izy ireo an-keriny koa ny ankizivavikely iray 5 taona. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo malaso rehefa avy naka an-keriny sy nangalatra ireo omby. Nanara-dia ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Bekapaika sy ny miaramila Das niaraka tamin’ny fokonolona. Navotsotr’ireo dahalo ihany anefa ilay ankizivavikely rehefa lasa lavidavitra ny tanàna ka avotra soa aman-tsara.

Lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Marolaona, kaominina ambanivohitra Ambesisika, distrikan’i Maevatanàna, afakomaly, koa ny omby eo amin’ny 200 eo ho eo. Tokantrano maromaro no tompon’ireo omby very ireo raha ny tatitra voaray. Nisy tamin’ireo fokonolona nanara-dia niaraka tamin’ny zandary, namoy ny ainy noho ny tifitra nataon’ireo dahalo. Nisy koa ireo naratra ka nentina haingana ao amin’ny CSB II Ambarimay. Tafaverina ny omby miisa 181. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Maromandalo sy Ampasitapaka miaraka amin’ireo fokonolona.

J.C

Les commentaires sont fermées.