Flash
Préc Suiv

Hosodoko: mila tezaina ny Malagasy

Hosodoko: mila tezaina ny Malagasy

Na manao izay ho afany aza ny mpanao hosodoko, mahatsapa izy ireo fa mbola tsy tafapetraka amin’ny tokony ho izy eo anoloan’ny Malagasy ity zavakanto iray ity. Vitsy ny manome lanja azy raha oharina amin’ny hira, ny dihy, sns. Raha ny fanazavan’ireo manao ny hosodoko ho antom-pivelomana, « ny fahefa-mividy eo amin’ny Malagasy » no mahatonga izany. Notsindrin’izy ireo ihany koa anefa fa « na eo aza io, tsy mbola manome hasina ny hosodoko ny Malagasy ». Tsy nobeazina na voataiza loatra tamina hosodoko ny ankamaroan’ny Malagasy hany ka maivana ny andraisany azy. Raha ny fanazavan’ny mpanao sary hosodoko hatrany, mbola vitsy, ohatra, ny Malagasy mahafantatra fa tsy azo atao roa na mihoatra ny tabilao iray mba hitazonany izay maha zavakanto azy izay.

… Antony mahatonga ny tranga tahaka izany ny tsy fisian’ny sekoly hoenti-mampianatra momba ny hosodoko. Araka ny fanazavana nomen’ny mpanao hosodoko hatrany, « ny any ivelany anefa, maro isafidianana ny sekoly. Ao ihany koa ny fampidirana ny hosodoko any anaty fandaharam-pianarana ». Laharam-pahamehana ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ve anefa izany ?

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.