Flash
Préc Suiv

Fari-dranomasina: fiaraha-miasa amin’Etazonia

Fari-dranomasina: fiaraha-miasa amin’Etazonia

Nitsidika ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, i Philip Heyl, mpanolontsaina manokana ao amin’ny departemanta amerikanina mikasika ny fiahina ny fandriampahalemana an-dranomasina aty Afrika. Tonga eto izy hanampy an’i Madagasikara handrafetana drafitrasa mikasika ny fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina. Notsoriny fa ilaina ny fitarihin’ny praiminisitra malagasy izany drafitrasa izany. Aminy, tokony ho trandrahina ny harena an-dranomasina eto Madagasikara satria mitondra fampandrosoana sy fampiasam-bola vahiny rehefa azo antoka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny fari-dranomasina.

Nohamafisiny fa vonona hanohana ny governemanta amerikanina fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny manatanteraka azy.

Tsiahivina fa efa niasa nizara ny traikefany tany amin’ny firenena valo aty Afrika i Philip  Heyl, tamin’ny fandrafetana paikadim-pirenena mikasika ny fampandriana fahalemana mikasika ny ranomasina.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.