Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nilaza ny hametraka fitoriana eny anivon’ny HCC ireo kandidà 10 voailika, tsy afaka nirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. Nambaran’ny sasany amin’izy ireo fa nahafeno ny fepetra  ny sasany amin’izy ireo nefa voatsipaka, tsy ho anisan’ireo kandidà. Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’izy ireo ny namoahan’ny HCC, ny alin’ny 21 aogositra farafanaterana antontan-taratasy ny lisitr’ireo mpifaninana. Tokony ho mbola manana herinandro anefa ny etsy Ambohidahy hijerena izany ary mamoaka ny kandidà, ny 26 aogositra.

Haka fanapahan-kevitraamin’ny kandidà hotohanany ny RPSD. Nambaran’ny mpitarika, Andriatsizehena Benja Urbain, fa ho fantatra amin’ny filankevi-pirenena hatao ny oktobra izao ny kandidà mitovy vina amin’izy ireo ka hotohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. « Antoko velona sy miaina ny RPSD tao  anatin’ny 26 taona ka mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena », hoy izy.

Les commentaires sont fermées.