Flash
Préc Suiv

Famonoana tany Imeritsiatosika: andrasana ny valin’ny fitliana ADN

Miandry ny valin’ny fitiliana ADN amin’ny ra hita tamin’ny akanjo sy lamba tamin’ireo olona  nosamborina tany Imerintsiatosika, manodidina ilay famonoana azy telo mianaka, ny rehetra. Natao omaly ny fandevenana tany Fandriana ka miandry ny fianakaviana vao hampahafantarina ny valin’izany.

Ankoatra ireo efa voasambotra, misy ihany koa ny olona efa alaina am-bavany maromaro manodidina ity rahara ity. Mijanona ho tsiambaratelo izany satria anatin’ny fanadihadiana tanteraka. Efa andro fahatelo sahady izay no nitazonana ireo olona izay ahiahiana . Afaka manalava ny fetr’andro hitazonana ny mpanao fanadihadiana, arak’izay mety amin’izy ireo satria heloka bevava. Momba ity raharaha ity dia miompana amin’ny fanarahana teknolojia kokoa ny mpanadihady, mahakasika ny fitiliana ny ranon’ain’ilay mpamono olona izay sady nanolana izany. Marihina fa raha tsy nandeha niala sasatra tany amin’ny renibeny ilay lahikely farany, maty tao an-tranony niaraka tamin’ny fianakaviany ihany koa. Miandry ny tohin’ny raharaha ny rehetra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.