Flash
Préc Suiv

Distrikan’Ihorombe: hatsangana ny oniversite vaovao

Distrikan’Ihorombe: hatsangana ny oniversite vaovao

Napetraka, omaly, ny vato fehizoron’ ny oniversitem-paritra ao amin’ny kaominina Ambia-Ihorombe. Tany mirefy 6 ha no hananganana ny oniversite, ary telo volana ny faharetan’ny asa. Hisy birao ho an’ny mpitantana, efitrano fianarana roa lehibe mahazaka mpianatra 60 isa avy ary efitrano fidiovana izany fotodrafitrasa vaovao izany.

Anisan’ny fampandrosoana lehibe entin’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika any amin’ny distrikan’Ihorombe ity fotodrafitrasa ity satria mampifanatona ny oniversite amin’ny vahoaka. Tanjona ny hamolavolana tanora, hampita ny fahaizana sy ny fahalalana ho amin’ny fampivelarana ny maha olona, hahatonga ny tanora ho olom-banona.

Mamaly ny fampandrosoana amin’ny distrikan’ Ihorombe izao fotodrafitrasa izao satria fampianarana mamaha ny filàn’ny vahoaka ny hianarana ao. Anisan’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Tonga nanatanteraka izany ny minisitry ny Fampianara ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ireo tompon’andraiki-panjakana maro isan-tsokajiny.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique