Flash
Préc Suiv

Distrikan’i Manja: zandary anjatony nalefa hampandry tany

Nirotsaka an-tsehatra any amin’ny faritra ambanivohitra, nanomboka ny 20 aogositra 2018 lasa teo ka nisafidy manokana ny distrikan’i Manja mba hanaovana fanazaran-tena no sady hampandriana fahalemana ny faritra, ireo zandary anjatony avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Menabe. Tsy vita tamin’ny fiofanana nandritra ny herintaona tany amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra ihany ny fianarana ho an’ireo tanora vao niditra ho zandary fa mbola misy koa ny fampiharana ataon’izy ireo any amin’ny toerana nanendrena azy tsirairay. Ny hanazarana ireo zandary mpiana-draharaha (73eme cours) miisa 71 izay vao nivoaka volana vitsivitsy ka voatendry hiasa any amin’ny faritra Menabe no antony voalohany nanaovana izao hetsika izao ary koa hampahafantarana azy ireo ny toetry ny faritra nanendrena azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy ny fahaiza-manao ihany anefa no ho azo amin’izany fa hisitraka ny fandriampahalemana noho ny fisian’izy ireo mandritra ny fotoana maromaro, miely manerana ny distrika koa ireo zandary any an-toerana. Hitohy avy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny raha vao vita izany fanazaran-tena izany mba hiomanana amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra sy fifidianana. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mponina hatrany amin’ny fanomezam-baovao ny zandarimariam-pirenena hanamora ny fanatanterahan’izy ireo ny asany sy ho fanakaikezana koa ny vahoaka.

J.C

Les commentaires sont fermées.