Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona mahatsiravina teny Imerintsiatosika: halevina anio izy telo mianaka, 3 efa voasambotry ny zandary

Vonoan’olona mahatsiravina teny Imerintsiatosika: halevina anio izy telo mianaka, 3 efa voasambotry ny zandary

Olona telo no fantatra fa nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Itasy, omaly, momba ilay vonoan’olona nahafaty mpivady kely iray sy ny zanany vao 5 taona monja, tao Mamoladahy Imerintsiatosika ny alatsinainy teo. Iray amin’ireo no voalaza fa nandray anjara mivantana tamin’ity habibiana mahatsiravina ity.

Nisambotra olona telo avy hatrany ny zandary avy any Itasy, omaly, taorian’ilay vonoan’olona mahatsiravina tany Imerintsiatosika. Olona ahiahina avokoa ireo kanefa voalaza kosa fa ny iray amin’ireo, ahina ho nandray anjara mivantana tamin’ny asa ratsy fanolanana sady famonoana ity. Ity farany izay fantatra fa olona akaiky ireo novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ihany. Raha ny fanadihadiana ihany koa, fantatra fa ankoatra ny “cyber” sy ny fitazonana ireny fifanakalozana vola amin’ny finday ireny, manao fandraharahana ihany koa ilay raim-pianakaviana. Voalaza fa misy olana ara-bola aminy ny iray amin’ireo olona voasambotra ireo. Mbola nahitana ra ny kiraro sy pataloa ary mosoara an’ity iray nahiahina mivantana ity. Anatin’ny fakana am-bavany tanteraka ny zandary amin’izao fotoana izao, ary fantatra fa hisy ny fitiliana ny ADN momba ity raharaha ity, ahafantarana ny tena marina.

Halevina any Sandrandahy Fandriana, anio, ny nofo mangatsiakan’izy telo mianaka, i Rakotorahalahy Lantosoa Nantenaina Jaocb sy Malalatiana Julianna ary Rakotorahalahy Famenontsoa Julie Rebecca vao 5 taona monja. Miandry fatratra izay tohin’ny fanadihadiana ny rehetra satria toe-draharaha tena nanohina fon’olona maro izy ity. Habibiana tsy roa aman-tany, niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ka vao mainka nampiakatra ny fihetsehampon’ny olona. Mitaky ny hanafainganana ny fanadihadiana ny rehetra, ary ny haneho ny sarin’ny mpanao ratsy mba ho hitam-bahoaka.

Miteraka fitsaram-bahoaka

Ady hevitra be ny momba ny sazy sy ny fanamelohana izay olona mety ho nahavanona ny trangan-javatra tahaka ity tany Imerintsiatosika ity. Ny sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty miampy asa an-terivozona ny farany henjana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Nisy ihany ny fanamelohana ho faty, saingy nofoanana tao amin’ny didy aman-dalàna famaizana izany. “Raha mahavanona ny toe-javatra tahaka izao, mendrika ny hohelohina ho faty. Aleo averina io lalàna io”, hoy ny mpaneho hevitra.

Raharaha tahaka itony rahateo ny miteraka ny fitsaram-bahoaka eto amintsika. Rehefa ela loatra ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana, tsy mahatoky intsony ny olona ka manao izay fitsaram-bahoaka izay. Eo ihany koa ny kolikoly ka mety hahavotsotra ny olona nahavanon-doza tahaka izao. Andrasan’ny rehetra, araka izany, izay ho tohin’ity raharaha ity, indrindra ny fanazavan’ny zandary momba izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.