Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: tsy hay tohanana intsony

Ny vintana ve no ratsy sa ny natao no tsy nety? Miditra ato amin’ny fotoanan’ny fifidianana isika nefa mandrahona tsy misy fitsaharana ny fitombon’ny fahasahiranana sy ny fisondrotry ny vidim-piainana. Tsy voageja intsony. Raha tsy izany efa nataon’ny fitondrana mba tsy hanjakan’ny lonilony be loatra eto amin’ny fiarahamonina. Fahasorenana izay miantefa hatrany any amin’ny mpitondra.

Ny tompon’andraikitra an-tampony, izany hoe ny filohampirenena, ity no milatsaka. Noho izany, ny tena mihitsy no hizaka voalohany ny fitsaran’ny vahoaka mikasika ny toe-piainana ankehitriny. Io efa voalaza io ny fitombon’ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny fidiran’ny mpianatra efa manangasanga koa. Fantatra ny fandaniana aterak’izany. Tsy resahana intsony ny fisondrotr’izany, arakaraky ny isan’ny ankizy handeha an-tsekoly ao amin’ny ankohonana.

Araky ny hevitra voaray tamin’ny kabarin’andriamatoa Rajaonarimampianina dia noho izy sy ny fitondrana tsara tantana nasehony no nahazoana fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ireo mpiray dia amin’i Madagasikara. Izany hoe tsy afenina intsony ny fifarimbonana amin’ny firenena vahiny maro sy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena. Nefa aiza moa ny vokatr’izany ? Sao voafitapitaky ny vahiny fotsiny ny tena. Nefa miseho kalaza toy izany. Raha dinihina amin’ny fihenan-danja mianjady amin’ny ariary anefa dia tsapa fa tsy mahazaka ny onjan’ny tsena ny fitondrana eto an-toerana. Ny fihetsiketsehana sy ny sitrapo nefa etsy andaniny dia tsy misy fifehezana intsony.

Topazo maso anie ireo fiara misy plaky mena. Tsy nisy nanampo fa mampiadan-tena toy izao ny fitondram-panjakana. Etsy sy eroa dia samy manampatra avokoa mampiasa fiara noefaina tamin’ny volam-bahoaka. Mbola misy aza hono mpampiasa fiaram-panjakana izay mbola manao di-doha amin’ny tsy fametahana plaky mena amin’ny fiara ampiasainy. Asa fotsiny ny momba ny fiantohana ny solika sy ny fikojakojana an’ireny fiara ireny. Fantatra moa fa na tsy baranahana aza ny fizarana anjara mikasika ny fahafahana mividy solika, dia azo lazaina ho malala-tànana ihany Rafanjakana. Eto anefa dia toy ilay tsy tononona, ny avo ihany no tovonana.

Rehefa mihena ny lanjam-bola, rehefa misondrotra tsy mitsahatra ny vidin’ny solika, dia misy fiantraikany tsy hay tohanana any amin’ny vidim-piainana. Ahiana handoa be, takalon’ny fahasahiranana aterak’izany Ingahy Rajaonarimampianina. Tsara ny fandehan-draharaha, izy no mahazo dera sy laza. Raha ratsy ny tetika, izy no mitanty ny tsy fitiavana sy ny ompa.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.