Flash
Préc Suiv

FLM: “Aoka tsy hikorontana isika…”

Nanafatrafatra koa ny FLM amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. “Aoka hanana fahendrena sy fifaliana ary koa fahalalahana hahatanteraka ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Aoka tsy hitondra korontana ianareo”, hoy ny hafatra nambaran’ny filohan’ny FLM, ny Rev. Rakotonirina David, ny herinandro teo. Nanteriny fa tokony hotandrovina ny tsy hisian’ny olana amin’ny fifidianana ka mba hizotra am-pilaminana izany. “Hosorohina ny tsy hisian’ny krizy, mialoha sy mandritra ary aorian’ny  fifidianana. Tsy hahazaka izany intsony ny firenena sy ny vahoaka”, hoy ihany izy.

Nanamafy izany ny lehiben’ny Toby lehibe Ankaramalaza eo anivon’ny FLM, Andrianarijaona Germain na i “Dadatoa Germain”. Aoka ianareo kandidà tsy hifanaratsy na hifanala baraka. Aoka hifanaja… Aza mifanaratsy fa raiamandreny ianareo…”, hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.