Flash
Préc Suiv

Bekapaika: maty voatifitra ny mpamatsy basy dahalo

Rotiky ny balan’ny zandary tao Tetezambato, kaominina ambanivohitr’i Bekapaika, afakomaly raha nikasa hitsoaka ny mpamatsy basy sy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo. Raha ny fanazavan’ny zandary, nokarohina hatry ny ela ity malaso raindahiny mivondrona ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ity. Ao anatin’ireo tambajotra mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’i Tsaratanana koa izy. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy mahita ao amin’ny fokontany ao Tetezambaro Bekapaika ity dahalo ity. Nametraka ny paikady rehetra hahafahana misambotra azy ny zandary avy ao amin’ny poste fixe ao Bekapaika. Noraisim-potsiny izy ka notondroiny nandritra ny fanadihadian’ny zandary ny namany mpiray tsikombakomba aminy. Niroso nitondra azy nihazo ny toerana misy io namany io ny zandary, kanjo nitsoaka tampoka izy ka voatery nitifitra ny zandary na efa nampitandrina ihany aza. Vokany, namoy ny ainy izy noho ny ratra nahazo azy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.