Flash
Préc Suiv

Tselatra

Votsotra teo am-pelatanan’ireo dahalo rehefa nandoa ny lelavola 750 tapitrisa Ar, ny fianakavian’ilay ramatoa nisy naka an-keriny tany Maevatanana ny herinandro teo. Fantatra fa 1 miliara Ar no notakin’izy ireo ka tapaka taorian’ny adivarotra fa io lelavola 750 tapitrisa Ar ny vola homena ireto malaso ireto. Ireo jiolahy naka an-keriny ireo mpiasan’ny orinasa Kraoma ao Tsaratanana ihany no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fakana an-keriny ramatoa vadina mpandraharaha ao Maevatanana ity.

Les commentaires sont fermées.