Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hanohana sy hanampy  ny  Ceni ny governemanta, araka  ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Boeny ny herinandro   teo. “Anisan’izany ny fanaraha-maso  ny  fitsinjarana  ny kara-pifidianana. Eo  koa ny maha ara-dalana na tsia  ny biletà tokana  hampiasaina amin’ny fifidianana”, hoy izy. Nanteriny hatrany, tokony ho fifidianana mangarahara  sy eken’ny  rehetra no  hataontsika.   Nomena toromarika koa  ireo tompon’andraikitra sy manampahefana any an-toerana mba tsy hitanila sy hitongilana amin’izao fifidianana  izao.

Hanohana ny kandidà Rajoelina ireo tanora avara-pianarana. “Tanora tahaka  anay  izy ary manana vina  mifanaraka amin’ny fomba fijerinay tanora.  Manana fahamatorana koa ary efa niomana ny hitantana  firenena”, hoy ny mpitarika ny Fitama, tetsy Antanimena ny faran’ny herinandro  teo. Nanterin’izy ireo  fa vina ahafahana mampandroso ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy ny  IEM. Anisan’izany ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny fanohanana ny tantsaha ary ny fitrandrahana  ireo angovo azo havaozina.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique