Flash
Préc Suiv

Barea sy Senegal: ho avy ireo «expatriés»

Efa ao anatin’ny fanomanana ny lalao hiadian-toerana amin’ny «Can 2019» avokoa ireo ekipa afrikanina rehetra, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny hiatrika izany ny Barea, hifandona amin’ny Lionan’i Téranga avy any Sénégal. Lalao mandroso, hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady 9 septambra ho avy izao.

Ho tonga ny alatsinainy 3 septambra 2018 ny ankamaroan’ireo mpilalao mpila ravinahitra avy any Eoropa, avy any La Réunion sy avy any Afrika ary avy any Thaillande, hanatevina ny Barea. Hiatrika ny fanazarantena etsy Mahamasina  ry zalahy, ny tolakandro. Ny talata 4 septambra kosa vao ho feno tanteraka ireo mpilalao 23 nantsoina ao amin’ny Barea. Mbola hisy ireo hiatrika ny fifaninanana any amin’ny klioba ilalaovany, ny fiandohan’ny volana septambra. Anisan’ireny i Thomas Fontaine sy i Romain Metanire, milalao ao amin’ny Stade Reims, eo amin’ny fiadiana ny “Ligue 1”.

Tsy hisy ny lalao fitsapana “sparing partner”, ataon’ny Barea, amin’ity, fa fihaonan’izy samy izy ihany ny hany atao mandritra ny fanazarantena.

Hanomboka ny 3 septambra io koa ny fampivondronana ireo mpilalaon’i Sénégal, amin’ity fihaonany amin’ny Barea de Madagascar ity. Nisafidy ny hanomantena any Paris, Frantsa, izy ireo, mialoha ny hahatongavany eto Madagasikara, ny zoma 7 septambra, raha tsy misy ny fiovana.

Torcellin

Les commentaires sont fermées.