Flash
Préc Suiv

Mananara Avaratra: miparitaka ny vola sandoka

Tovolahy iray, voasambotry ny mpitandro filaminana tany Maroantsetra niaraka tamin’ny vola sandoka antapitrisany sy fonosana sigara marobe, izay voalaza fa fomba nentin’izy ireo manadio vola sandoka 20.000 ariary sy 10.000 ariary.  Mitohy ihany izany any amin’ny faritra Ambatosoa misy ny distrikan’i Mananara avaratra sy Maroantsetra, izay tena mampitaraina ireo mpivarotra ka mahatonga azy ireo tsy mandray ireo karazam-bola ireo. Ireo mpivarotra madinika, eo am-pividianana entana ho entin’izy ireo amidy amin’ireo tranombarotra mpamongady vao mahita fa misy vola sandoka eny am-pelantanan’izy ireo, ka izy ireo indray no mampiahiahy ireo mpamongady.  Fombafomban’ireo olon-dratsy ny mividy sigara amin’ny fonosana iray mba hahazoan’izy ireo ny famerim-bola ara-dalana amin’ny vola sandoka. Mihodinkodina amin’izay ny teti-dratsin’ireo jiolahy, ary mifindrafindra tanàna ry zareo. Efa manao ny ezaka ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.