Flash
Préc Suiv

Indray mijery

8525 ny isan’ny mpiadina handray anjara amin’ny fanadinam-panjakana Brevet d’études professionnelles (BEP), manomboka anio ka haharitra hefarana. 70 ny fiobem-panadinana handray ireo mpiadina manerana ny Nosy avy amin’ny sekoly teknika. Nitombo 3% ny isan’ny mpiandina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Mizara roa, professionnel sy technologique ny sokajin’ny mpiadina.

“Nitombo ho 70,23% ny tahan’ny fahafahana fanadinana CEPE tamin’ity taona ity raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa (58%) raha ny vokatra efa azo”, hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazana.  Mbola misy Cisco dimy no miandry ny voka-panadinana CEPE. Rahampitso kosa no hotanterahina ny fanadinana CEPE manokana ho an’ny foibem-panadinana 15 any amin’ny Cisco Ambanja sy Anosibe an’Ala.

Les commentaires sont fermées.