Flash
Préc Suiv

HITSY TORAKA: mibaiko foana !

Toe-tsaina mampalahelo, eo amin’ny taranja iraisana eto Madagasikara ny tsy fananan’ny mpanazatra ny toerana tena misy azy fa mbola voabaiko. Tsikaritra amin’ireo klioba vaventy, eo amin’ny baolina kitra mantsy fa mibaiko sy mandidy ny mpanazatra ireo tompon’ny ekipa. Hita izany, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fihaonana. Vao hanomboka ny lalao, tsy maintsy hampahafantarina ny mpandoa vola ny firafitry ny ekipa, na ireo mpilalao halahatry ny mpanazatra eny ambony kianja. Tsy mitsahatra ny mandefa teny na mivazavaza eo imasom-bahoaka mihitsy io mpanam-bolan’ny ekipa io, ao anatin’ny lalao, hany ka tsy afaka mifantoka ao anatin’ny lalao ny mpanazatra. Tsy vitan’izay fa mitohy amin’ny fanomezan-tsiny sy fitenenana ratsy ny teknisianina sy ny mpilalao mihitsy izany, aorian’ny fihaonana. Marina fa mila olona manam-bola ny ekipa, saingy tokony ho samy manana ny andraikiny ny tsirairay fa tsy hifampibaiko. Tsy manakana ny fifanoroana sy fifanampiana kosa izany, fa tsy ataonao saribakoly, hanaraka baiko fotsiny akory ny mpanazatra. Tsy mahagaga raha toa ka tsy misy ny vokatra ary miaka-midina toa papangon-jaza, ny lalan’ny ekipa.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique