Flash
Préc Suiv

Hiasa avy hatrany: tanora 27 nivoaka tamin’ny Orange school

Hiasa avy hatrany: tanora 27 nivoaka tamin’ny Orange school

Natolotra teny Ankorondrano ny taratasy fanamarinana fa nahavita fiofanana teny anivon’ny Orange School, ny herinandro lasa teo, ny mpianatra tanora 27 avy amin’ny andiany faha-33 sy faha-34. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana tao anatin’ny foiben-toeran’ny Orange school ka sady nisy ny lesona sy ny fampiharana avy hatrany teny anivon’ny orinasa ny fahalalana azo. Hita taratra fa mihamaro ny isan’ny orinasa fandraisana antso (centre d’appel) miorina eto Madagasikara ary mandray mpiasa betsaka izy ireo. Samy ahitana izany fandraisana antso izany avokoa ny banky, ny mpandraharaha mikirakira ny fifandraisan-davitra ary ny orinasa mpintsijara entana samihafa. Izay no nahatonga ny Orange school teraka ny taona 2009 noho ny fahatsapana fa tsy mbola misy orinasa manofana hiasa amin’ny orinasa fandraisana antso.

Afaka miditra ho mpiofana avokoa ny tanora manana ny mari-pahaizana bakalorea sy fifehezana ny teny frantsay. Feno ny fiofanan’ny Orange school amin’ny lalam-piofanana téléconseil na téléopérateur. Asa mbola manana ny hoaviny amin’ny tsena eto amintsika sy any ivelany ny toeram-pandraisana antso. Nanomboka ny taona 2009, nahatratra 290 ny tanora voaofana avy ao amin’ny sekoly. “Tsy miandry ela fa mahazo asa avokoa ny 90%-n’ny miofana”, hoy ny tomponandraikitra.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique