Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Kandidà Imbeh Serge : « Midika  ho fahafahana sy Fahaleovantena ny laharana  faha-26 ao amin’ny bileta tokana sy ny afisy amin’ny fiatrehana  ny fifidianana », hoy  ny  kandidà Imbeh Serge raha naneho ny  heviny,  taorian’ny nahavitan’ny antsapaka  teny amin’ny Ceni,  ny asabotsy  teo. Notsiahiviny  tamin’izany  fa mametraka  fanamby hampivoarana ny toekarena anatiny ny tenany  noho ny  traikefa sy ny fahaiza-manao ananany eo amin’ny asa sy ny andraikitra nosahaniny. « Efa niomana  tao anatin’ny 10 taona  izahay ary  manana vahaolana… 51% ny antsika ary 50% ho an’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny fitrandrahana ny harenantsika », hoy ity kandidà laharana faha-26  ity . Anisan’ny fampanantenany koa ny hampidina ny tahan’ny fahantrana  ary ho vita ao anatin’ny roa taona izany. Manampy  ireo ny fijerena ny fanabeazana sy ny fampianarana.  « Efa azo irosoana  avy hatrany  ny vina sy ny fandaharanasany  rehetra »,  hoy ihany  izy.

Kandidà Ravalomanana Marc : “Kandidàn’ny vahoaka rehetra aho. Niposaka avy any atsinanana tany Toamasina ny masoandro, nipaka eto Antananarivo ary mbola hipariaka manerana ny Nosy”, hoy ny kandidà Ravalomanana,  tetsy amin’ny kianjaben’i  Mahamasina, ny asabotsy teo.  Notsiahiviny fa io 25 aogositra io, andron’ny asabotsy nihaonana  tamin’ny  vahoaka . “25 koa ny laharantsika amin’ny biletà. 25 ny daty nahaterahan’ny Mpamonjy ka heveriko fa tsy kisendrasendra izany” hoy izy. Niavaka ny fandravahana ny kianja satria nisy sarin’i Madagasikara sy ireo faritany 6 teo afovoan’ny kianja ary noteteziny avokoa izany.  nitety an’i Madagasikara an’eritreritra ny kandidà Marc Ravalomanana nandritra izany, niteny tamin’ny fitenim-paritra avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara izy. Anisan’ny vinany ny Madagasikara am-perinasa  (Map) andiany  faharoa. Naverimberiny ny teny filamatra : « Mpanangana isika  fa tsy mpandrava”, hoy ihany izy.

 

Les commentaires sont fermées.