Flash
Préc Suiv

Fahasalamana: nampitaovana ny CSB mendrika

Natolotry ny solontenan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS), i Charlotte Ndyae, ho an’ny filoha mivady teny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny taratasy fanamarinana fa foana ny aretina lefakozatra eto Madagasikara noho ny ezaka nataon’ny fanjakana malagasy sy ny mpiray ombon’antoka. Mitohy ihany ny ezaka fanaovana vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra sy ny fanaraha-maso ny fahalemena tampoka miseho amin’ny ankizy.

Ny faran’ny herinandro lasa teo koa no notolorana ny fitaovana ho an’ny CSB sy ny foibe Carmma mendrika amin’ny fifaninanana andiany fahatelo. Voalohany ny CSBII Antsatsaka Andapa (Diana). Faharoa ny CSBII Ambohimena Moramanga (Alaotra-Mangoro), fahatelo ny CSBI Tanambao Vatomandry (Atsinanana). Nahazo fankasitrahana koa ny CSB Maevatanàna an-tampon-tanàna (Betsiboka) sy ny foibe Carmma ao Sabotsy-Antongona Arivonimamo (Itasy).

Tanjon’ny fifaninanana ny hanentana ny tomponandraikitry ny CSB hanatsara ny tolotra fahasalamana sy hikarakara ny tontolo manodidina rehetra ny tobim-pahasalamana.

Tao anatin’ny hetsika teny Mahamasina ihany no nizarana fitaovana ho an’ny mpanentana fahasalamana eny ifotony 3 000, reny 1 000 ary fikambanam-behivavy 30.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.