Flash
Préc Suiv

Boriborintany I: nankasitrahana ireo mpanadio tanàna

Boriborintany I: nankasitrahana ireo mpanadio tanàna

Nanatanteraka sakafom-piraisana niaraka amin’ireo fikambanana mpitantana fotodrafitrasa eny anivon’ireo fokontany 44 ny ekipan’ny boriborintanyvoalohany, omaly. Natao izany ho fankasitrahana ireo fikambanana izay mpiaraka manao fanadiovana faobe amin’ny isan-kerinandro, isaky ny talata.

Araka ny nambaran’ny lefitra faharoan’ny delegen’ny boriborintany voalohany, Razanadrakoto Heriniaina, tsy voatery ho asa hatrany no hifanotronana fa tsara ihany koa raha mba misy ny fotoana hifankaherezana toy izao. Miasa mafy ho an’ny vahoakan’Antananarivo izy ireo. Anisan’izany ny mpitantana paompin-drano. Manomboka amin’ny 1 ora maraina izy ireo, efa manao ny asany ary tsy miala eo raha tsy amin’ny 10 ora alina.

“Misokatra hatrany ho an’ny rehetra ny varavarana raha misy ny soso-kevitra na ny fitadiavana vahaolana hanatsarana ny asa”, hoy ny tompon’andraikitra. Mafy ny asa izay iandraiketan’ireto ekipa mpanadio tanàna ireto koa manentana hatrany ny vahoaka ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) samy hitandro ny fahadiovana satria efa anisan’ny manadio izay tsy mandoto. Tsy adidin’ny kaominina irery ny manadio tanàna fa adidin’ny tsirairay.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.