Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena: tsy mihevitra hametra-pialana ny kandidà R. Jean Max

Antenimierampirenena: tsy mihevitra hametra-pialana ny kandidà R. Jean Max

Ny zava-misy ankehitriny ny firotsahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny hoe: inona ny fepetra tokony horaisina raha miseho ny tranga toy izany? » Izay ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean Max, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, momba ny amin’ny tokony hanaovany fametraham-pialany na tsia amin’izany noho ny maha kandidà ho filohan’ny Repoblika azy amin’ny fifidianana amin’ny 7 novambra.

Tsy ao anatin’ireo karazan-dalàna roa, ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana, ary ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena amin’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Antenimierampirenena na tsia, raha mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izy, araka ny fanazavany. Ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra tanteraka, hanomboka ny 7 oktobra, ny fivoriana ara-potoana faharoa an’ny parlemanta, hanomboka ny talata fahatelo amin’io volana oktobra io.

Misy ny didy fakan-tahaka

Notsiahiviny ny didy fakan-tahaka tamin’ny fotoan’androny, ny filohan’ny Antenimpierampirenena, ny pasitera Andriamanjato Richard, nirotsaka ho kandidà ho filohan’ny Repoblika, taona 1996. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra, nanendry mpisolo toerana vonjimaika izy. Rehefa vita ny fampielezan-kevitra, miverina amin’ny toerany izy.

Na ahoana na ahona, tena misy ve ny fanajana ny soatoavina repoblikanina sy ny etika politika amin’izany? Tsy mampiasa fahefam-panjakana rehefa manao fampielezan-kevitra ny tena, na mametra-pialana na tsia. Ao anatin’izany ny olom-panjakana sy ny fitaovam-panjakana. Manomboka amin’ny fiara sy ny mpamily ary ny solika izany, ohatra. Tena hanao sy hahavita izany ve ireo olom-panjakana mirotsa-kofidina amin’izao?

R. Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique