Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny zandary, afakomaly, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka namaky ny fiangonana FJKM ao Mandrosoa Ivato. Fantatra fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ity fiangonana ity, iray volana lasa izay, ka lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny fanamafisam-peo rehetra. Tsy nisy tratra ry zalahy tamin’io fotoana io. Nikasa hamaky indray mandeha ry zalahy tamin’io afakomaly io ka tratra ny iray raha tafatsoaka kosa ireo namany.

Miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny horohoro ny mponina ao Morarano Mangatany, Ambatondrazaka, amin’ny afitsoky ny asan-dahalo. Any an-tsaha no matory ireo mponina amin’ny alina fa tsy misy sahy mipetraka ao an-trano intsony noho ny asan-dahalo. Amin’ny 6 ora hariva dia lasa mitsoaka ny olona.  Rehefa tsy mahita biby fiompy angalarina intsony ireo malaso, ny tanàna indray no tafihin’izy ireo, raha ny fanazavan’ireo mponina.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique