Flash
Préc Suiv

Tahiry fiahiana ny fahasalamana: 750 ny fianakaviana mpikambana

Tahiry fiahiana ny fahasalamana: 750 ny fianakaviana mpikambana

« 750 amin’izao fotoana izao ny fianakaviana niditra ho mpikambana ao amin’ny tahiry iombonana ho fiahina ny fahasalamana (CNSS) tao anatin’ny iray volana, ho an’ny distrikan’i Vatomandry », araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny tahiry, Andriantsara Guy, teny Analakely, ny alakamisy lasa teo. Tanjona ny hananana mpikambana hatramin’ny 15 000 hatramin’ny fiafaran’ny volana. Efa afaka misitraka ny tolotra fahasalamana samihafa manomboka eny amin’ny CSB ka haramin’ny CHRD izy ireo.

Vonona ny birao fiasan’ny ekipa mampihodina ny CNSS eny Analakely, nomen’ny USAID fitaovana ihany koa izy ireo, toy ny fanaka sy ny ordinatera hikirakirana ny asa rehetra. Ankoatra ny fitaovana, nanolotra moto sy fiarakodia koa ny USAID ho fanatsarana ny asa any ambanivohitra lavitra. Hiitatra amin’ny distrika maro ny fametrahana ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe CSU fa any Vatomandry ambanivohitra aloha no nisantarana ny tolotra hatramin’izao. Napetraky ny fanjakana ny tolotra fahasalamana ahafahan’ny vondron’olona marefo mitsabo teny amin’ny fotoana rehetra. Tsy misy ny vola alohan’ny mpikambana mandritra ny fitsaboana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.