Flash
Préc Suiv

Antokom-bahoaka – Rakotoson Dany Herintsoa: “Tokony ho mendrika ny toerana kendreny ny kandidà”

Naneho ny heviny manoloana ny fahamaroan’ireo kandidà ho filoham-pirenena ny avy amin’ny Antokom-bahoaka (Aba),  amin’ny alalan-dRakotoson Dany Herintsoa. “Mariky ny demokrasia izany, saingy tokony handini-tena ihany ny kandidà satria tsy kilalao io fa adidy masina. Aoka ho mendrika ny toerana kendreny ny kandidà tsirairay mba tsy hampietry ny hasin’ny asa maha filoham-pirenena”, hoy  izy. Nohitsiny fa misy tsy vonona hifaninana ny sasany amin’izy ireo. Miketrika ny hahazo toerana tsaratsara fotsiny, araka ny nambarany. “Fampiasam-bola sy kajy maloto tsotra izao ny azy ireo ka tokony hojerena satria nanimba ny fitantanan-draharaham-pirenena  hatramin’izay ny fisian’ireo sokajin’olona ireo noho ny fiezahany hamerina ny vola nampiasainy sy haka ny tombony nokendreny rehefa tody amin’ny tanjony”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tokony hikarohana vahaolana ny tahaka izao, hikajiana ny tsara tantana sy hiadiana amin’ny fahalovana miteraka tsy fahamarinan-toerana eto amin’ny firenena. Nitondra vahaolana koa ny Aba ny amin’ny tokony hametrahana mason-tsivana teritery kokoa amin’ny fisian’ny antoko politika marobe hisorohana ny asan’ny jiolahy politika.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.