Flash
Préc Suiv

Ankazomanga Atsimo: trano 30 kilan’ny afo, omby efatra indray maty

Ankazomanga Atsimo: trano 30 kilan’ny afo, omby efatra indray maty

Nijoalajoala ny afo teny Ankazomanga Atsimo, omaly maraina. Trano hazo sy trano biriky manodidina ny 30 isa mahery, indray levon’ny afo, hatramin’ny biby fiompy sasany aza, main’ny afo. Omby efatra indray namoy ny ainy…

Fifanjevoana, horakoraka, ranomaso, antso vonjy… Santionany amin’ny zava-nitranga nandritra ny haintrano teny Ankazomanga Atsimo akaikin’ny lalam-baovao, omaly, ireo. Trano eo amin’ny 30 isa mahery eo indray levon’ny afo (trano hazo sy trano biriky), isan’ireo may tamin’ity haintrano ity koa ny toeram-piompiana omby sy kisoa ary akoho amam-borona. Anjatony ireo fianakaviana traboina amin’ity loza ity. Tsy fantatra mazava ny niantombohan’ny afo fa araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray isan’ireo traboina, niainga avy ao amin’ny trano iray ny afo, teo akaikin’ny toeram-piompiana omby. Nijoalajoala ny afo ka nahazo ireo trano hazo rehetra teo amin’ny manodidina. Niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ny fokonolona eo an-toerana, saingy nahery ny fitsokan’ny rivotra ka nampiitatra ny afo. Tonga haingana teny an-toerana ny mpamonjy voina nanampy tamin’ny famonoana ny afo. Ireo biby fiompy no navoaka haingana noho ny fiitaran’ny afo. Nisy maty tamin’ireo omby satria latsaka tao anaty rano sy kilan’ny afo. Naharitra ora maromaro ny firehetana. Tsy nisy kosa ny olona naratra na aina nafoy ankoatra ireo omby. Ny akanjo teny an-koditra sisa ny an’ireo traboina.

Trano miisa 15 koa nirehitra teny Ankasina…

Nifanindran-dalana tamin’io ny teny Ankasina, trano hazo miisa 15 koa indray nirehitra, omaly ihany. Traboina vokatr’izany koa ny fianakaviana maromaro. Tsikaritra fa nahazo vahana ny haintrano tamin’ity herinandro ity ary namoizana ain’olona hatrany izany. Teo ilay tranohazo nirehitra namoizana ain’olona telo mianaka teny Anjanahary II S, ny alatsinainy teo. Pitik’afo ny niantombohan’ny afo ka nampirehitra ireo trano hazo 10 teo an-tanàna. Teo koa ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy nandritra ny haintrano nitranga teny Isoraka, ny alarobia teo. Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny drafitry ny fanorenana tanàna eto an-dRenivohitra mba hisorohana ny loza mateti-pitranga toy izao. Tokony ho mailo hatrany koa ny tsirairay, indrindra ireo mipetraka amin’ny tranohazo satria mitera-doza goavana toy izao ny tandrevaka kely fotsiny.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique