Flash
Préc Suiv

”Raharaha Razafindranovona Jean”: « Ny Fitsarana avo no tokony hanenjika azy », hoy ny HCC 

Mifanohitra amin’izay voalazan’ny And.133 ao amin’ny lalàmpanorenana ny dingana sy ny fombafomba anenjehana ny minisitra teo aloha ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, Razafindravonona Jean, eo anivon’ny Fitsarana misahana ny kolikoly na ny Chaîne pénale anti-corruption ary ny Pôle anti-corruption (Pac), Antananarivo, araka ny fanapahana  lah°02-HCC/D2, ny 23 aogositra, navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

Na izany aza, ambaran’ny HCC, araka ny And.2 amin’ny fanapahany, azo tsaraina eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) tamin’izay nataony tamin’ny maha minisitra azy izy. Tsiahiviny fa enjehina eo anivon’ny Pac, Antananarivo, izy noho ny nataony nandritra ny fotoana mbola nitantanany minisitera.

Raha tsiahivina ny voalazan’ny And.133 ao amin’ny lalàmpanorenana: tomponandraikitra itataovam-pamaizana noho ny zava-natao teo amin’ny asany ka voatondro ho heloka bevava, na heloka tsotra, tamin’ny fotoana nanaovana izany, ny filohana Antenimiera, ny praiminisitra, ny mpikambana hafa ao amin’ny governemanta ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ka ny Fitsarana avo no mitsara azy.

Ny Antenimierampirenena no afaka miampanga azy ireo amin’ny amin’ny alalan’ny latsabato atao ampahibemaso lanin’ny antsasa-manilan’ny mpikambana. Ny tonia voalohany mpampanoa ao amin’ny Fitsarana tampony no manao ny fanenjehana.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.