Flash
Préc Suiv

Paypite: fifanakalozam-bola elektronika

Tonga eto Madagasikara ny fifanakalozam-bola Paypite, ampisain’ny firenena miteny frantsay. Fomba fifanakalozam-bola elektronika, amin’ny alalan’ny « internet », tsy ampiasana lelavola mivantana. Mifanahantsahana amin’ny fifanakalozam-bola Bitcoin ny Paypite, nampiasaina efa hatramin’ny 10 taona lasa, saingy vitsy ny mampiasa azy satria tsy fantatra sady tsy voafehin’ny besinimaro.

Namorona sy nanangana ny fikambanana Paypite, ny fiandohan’ny taona 2018, i Vincent Jacques. Nanokatra azy eto Madagasikara, nanomboka ny 20 jona teo, i Mayet Jouber, tale nasionaly. Tsy manana sanda isaky ny firenena ny Paypite fa ahafahana kosa miady amin’ny hosoka sy ny fisolokiana amin’ny fifanakalozam-bola elektronika. Tsotra sy azon’ny rehetra ampiasaina. Azo ampiasaina koa eo amin’ny tsenam-bola (bourse).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.