Flash
Préc Suiv

Fifidianana – Zakahely Boniface: « Mety ny firotsahan’izy efa-dahy »

Tokony hirosoana ny fifidianana ary tena mahafaly ahy ny nirotsahan’izy efatra mirahalahy mianaka :  Ratsiraka, Ravalomanana, Rajaonarimampianina ary Rajoelina. Aleo hitsapa sady ahitana ny tena tian’ny vahoaka amin’io fifidianana io”, hoy ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface, tetsy Antaninarenina, omaly.  Nambarany fa ho tompon’ny teny farany momba azy ireo ny vahoaka. Tsy nitsitsy fitenenena kosa anefa ity mpanao politika ity nilaza fa anisan’ny mahatonga ireo kandidà marobe ireo ny tsy fahatokisan’ny olona ny mpanao politika. Manoloana izany, nanafatrafatra ny tenany.  “Tokony hahay handinika tsara isika mpifidy ary ho mailo amin’io fifidianana io”, hoy ihany izy.  Nohitsiny koa fa tena manjaka eto amin’ny firenena ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-pahefana, ny tsy fahaiza-mitarika… Eo koa ny tsimatimanota, mahatonga izao tranga tsy mety rehetra  eto amin’ny firenena  izao.

Momba ny tenany manokana, nambarany fa tsy mbola manana kandidà hotohanana ny  tenany amin’izao fotoana izao. “Efa nisy kandidà efatra niresaka tamiko, saingy tsy naharesy lahatra ahy izy ireo. Ironan’ny safidinay ny kandidà afaka hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena… Mbola ho hita eo amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra”, hoy ihany i Zakahely Boniface.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.