Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Raikitra ny fihaonamben’ny Tim sy ny mpanohana an-dRavalomananana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, rahampitso. “Tsy kandidàn’ny Tim fa kandidàn’ny vahoaka malagasy Ravalomanana. “Mpanorina izy fa tsy mpandrava ary mbola hiezaka ny hahavita be… Ho tonga amin’ny  nahim-pony sy  fahavononana ny vahoaka amin’io fihaonambe io”, hoy ny solontenan’ny avy any amin’ny faritra, i Zafilahy Stanislas, omaly tetsy Mahamasina. Nanamafy izany ny depiote Razafimanantsoa Hanitra ka nilaza fa efa milamina avokoa ny  hanatontosana ny hetsika. “Nahazoana alalana avy amin’ny prefektiora sy ny kaominina  izany. Ela niandrasana ny vahoaka malagasy, taorian’ny tany Toamasina. Hampahafantatra ny maha kandidà azy izy fa tsy propagandy mialoha ny fotoana akory izany. Famaranana koa ny faha-15 taon’ny Tim”, hoy izy. Ho avy rahateo ny avy any amin’ny faritra.

 

Les commentaires sont fermées.